Mivangongo ny fako ao Toamasina

 


Niditra an-tsehatra ny Faritra Atsinanana

 

Efa iray volana mehery no nitokona tsy mety miasa ny mpiasan’ny kaominina Toamasina. Fitokonana mitaky ny fialan’ny Filohan’ny Delegasion’ny Kaominina Toamasina ambonivohitra( PDS), Rakotovao Mariot Florent. Ireo mpiasa mpanome taratasin’ny olona maty sy ny sampandraharaha mpamonjy voina ihany hatreto no misy ampahany miasa.  Nandritra izay fotoana  rehetra izay, nivangongo tanteraka ny fako manerana ny tanàna indrindra ny ao Bazar Kely sy Bazar Be. Miakatra ny fofona maimbo  amin’ny faritra maro ao Toamasina.
Nandray andraikitra ny Faritra Atsinanana

Nanomboka ny andron’ny alarobia 27 oktobra, niditra an-tsehatra nanala ny fako tao Bazar Kely ny Faritra Atsinanana notarihin’ny Lehiben’ny Faritra, Alain Mahavimbina. Mandritra ny telo andro no anaovana ny hetsika. Izao no tontosa, noho ny fiaraha-miasa matotra amin’ny Faritra Atsinanana sy ireo orinasa ary ireo  mpandraharaha ara-toekarena ao  Toamasina  izay nanome fitaovana nanesorana ny fako.  Karamaina 2.500 Ar ( 12.500 Fmg) isan’andro  ireo olona miasa manala ny fako.
Haverina amin’ny kaominina ihany ny baolina

Nanipika mazava tsara kosa ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana fa tolo-tanana ihany izao natao izao fa tsy maintsy ny Kaominina ihany no hanohy ny dingana manaraka. Ny mpiasan’ny kaominina anefa mbola mitokona hatrany. Ireto farany izay nanamafy fa tsy hijanona velively ny fitokonana raha tsy esorin’ny fanjakana foibe amin’ny toerany ny PDS Rakotovao Mariot Florent. Ny PDS etsy ankilany izay mbola manamafy fa tsy hiala amin’ny toerana raha tsy ny fanjakana foibe mihitsy no manaisotra azy. Efa nisy mantsy ny fampihantonana tamin’ny asany nataon’ny Filankevitra Monisipaly  nefa tsy mbola nankatoavin’ny Fanjakana foibe. Ahiana noho izany ny hahamaimbo ny tanànan’i Toamasina raha mbola tsy mijanona ny fitokonana.
Nangonin’i Tamaga