Mpianatra ao Barikadimy : Tsy hanaiky fanakorontana intsony

 

Ny alarobia 26 oktobra lasa teo no vita tanteraka ny fampihavanana an’ireo mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Manoloana ireo feo mbola aelin’ny andian’olona sasany izay milaza fa ahiana mbola hipoka indray ny ady saritaka ao Barikadimy, hentitra ny tenin’ireo mpianatra sendra anay : “mpamafy lainga izay milaza izany”. Tony tanteraka ny ao Barikadimy amin’izao fotoana izao. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fampianarana rehetra. Miantso ireo mpitandro filaminana koa ireo mpianatra mba hanasazy ireo izay mbola minia manely tsaho hitarika ady indray.

Mbola mipetraka amin’ny toerany I Horace Gatien

Raha tsiahivina ny zava-nisy, taorian’ny fahafatesan’ny mpianatra atao hoe Randrianirina Herilanto Frederic , 26 taona, taona fahatelo amin’ny sampana toekarena (3ème année Filière Economie)  avy any Fort-Dauphin sady Filohan’ny Fikambanan’ny mpianatra Zanak’Anosy tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina, no tena nampavaivay ny toe-draharaha tao Barikadimy. Ny alatsinainy 12 septambra lasa iny no nahafaty ity tovolahy ity. Tamin’ny alim-pandihizana nokarakarain’ny FITEFA (Fikambanana Terak’i  Antsiranana) tao Barikadimy  ny alin’ny asabotsy 10 septambra no nanombohan’ny sakoroka teo amin’ireo  mpianatra boaka Atsimo sy ireo mpianatra avy any Antsiranana. Resaka famakiana tavoahangy tao anaty efitrano fandihizana no nanombohan’ny gidragidra izay nitarika ady saritaka. Taorian’io, nitaky ny  hanesorana an’i Horace Gatien  mba tsy ho Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina intsony ireo mpianatra Grand-Sud (mpianatra avy any Atsimo). Nampangain’ireo mpianatra Grand-Sud ho miaro an’ireo mpianatra FITEFA mantsy izy satria olona  avy any Antsiranana. Niafara tamin’ny fidinanana an-dalambe tao Toamasina ny hetsika.

Tsy nanaiky ny fanesorana an’i  Horace Gatien anefa ny Minisitry Fampianarana Ambony, Rabesa Zafera Antoine. Efa nilamina ny raharaha ankehitriny taorian’ny fampihavanana sy joro ara-drazana natao tao Barikadimy ny alarobia 26 oktobra teo  ary mbola voatazona ho Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina hatrany i Horace Gatien izay rahalahin’ny masoivoho Malagasy any Canada, Horace Constant.

Nangonin’i Tamaga

    

Sary tahiry: Mpianatra mitaky ny fialan'i Horace Gatien