Mpitarika grevin’ny mpiasan’ny kaominina Toamasina rahonana ho samborina

 

Miala any ny didy fampisamborana anay, hoy Solofo mpitarika ny fitokonan’ny mpiasan’ny kaominina Toamasina, izay tafaresaka taminay ny marainan’ny zoma 4 novambra. Hentitra ny teniny raha nilaza fa ingahy PDS no ambadik’io ho fanamborana anay io. Tsy afaka ny mihemotra intsony izahay, hoy hatrany ny fanazavany, satria mandefitra manana ny rariny loatra. Efa miomana amin’ny mety hisian’ny fisamborana io izahay mpitarika ity fitokonana ity ary nanao velirano fa tsy hipetra-mora ny mpiasa namana rehetra na inona hitranga eto.

Mandrehitra afo

Tsapa aloha hatreto fa lesoka amin’ity raharaha ity ny tsy firaharahan’ ingahy PDS ny fitakiana ataon’ny mpiasa tao anatin’izao 2 volana izay. Fandrahonana sy vava be  eny amin’ny télé no nimasoany fa tsy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpiasa mitokona. Vao mainka nandrangitra ireo mpiasa izany fihetsika izany ka tapa-kevitra fa tsy maintsy alana eo amin’ny toerany i PDS, Rakotovao Mariot Jean Florent. Vao tsy ela vao nikoropaka nitady fifampidinihana tamin’ny mpiasa ny tenany, tara loatra hoy ireo mpiasa “taiza ianao tamin’ny ora-nidona?”. “Fialanao aminio toeran’ny PDS io ihany no vahaolana tokana ilainay”. Tratran’ilay fomba fiteny hoe “lasa ny alika vao manangom-bato” ingahy PDS. Efa nijoalajoala be  ny afom-pitokonana ao amin’ny kaominina vao taitra. Manaratsy endrika ny Fitondrana foibe koa io tranga io satria manontany ireo mpiasa hoe “toa arovan’ny Fanjakana sy tsy mety alana amin’ny toerany ingahy PDS. Inona no antony?”.

 

Nangonin’i Tamaga