Mpivaro-tena hanambady moana marenina, fitiavana ve?

Ao amin’ny tanàna kely iray ao avaratr'i Frantsa no miseho ny tantara. Pascal, moana marenina hatramin’ny nahaterahany no mikasa hivady amin’i Marthe izay vehivavy avy any Cameroun mpivaro-tena fantatry ny rehetra eo an-tanàna. Mazava ho azy, mitsikera sy miresaka azy ireo ny mpiara-monina. Ao ny tsy mankasitraka mivantana ka mahavatra miteny azy eny andalana na eny an-tsena. Misy indray ireo izay mihevitra fa fanararaotan’i Marthe an’i Pascal fotsiny ity fikasàna hivady aminy ity.

Ny mahavariana amin’ity tantara ity dia tsy dia olona tena mpanan-karena loatra akory i Pascal. Tsy mba afaka niasa na nihary firy mantsy izy hatramin’izay noho ny fahasembanana mahazo azy. Fanampiana avy amin’ny fanjakana no tena nivelomany, izy rahateo nipetraka hatrany tao anivon-dray amandreniny. Asa an-tselika kely toa ny mikarama manala volon’ondry no mba entiny manampy izany fanampiana izany. Nony antitra ny reniny dia trano iray no navelan-dreniny ho azy.

Etsy andaniny indray i Marthe dia efa mizaka feno ny zom-pirenena frantsay ary azo lazaina fa efa nahabe anaka ihany. Efa nanambady frantsay tokoa tokoa mantsy i Marthe teo aloha, ary efa nisaraka tamin’izany vadiny izany izy. Manan-janaka telo izy ka ny roa any Afrika fa ny iray no mianatra eny amin’ny sekoly ambony ao Frantsa.

Raha ireo tantaran’izy roa ireo no jerena dia toa tsy mieritreritra tombon-tsoa manokana tokoa i Marthe amin’izao fanomanana ny fanambadiany izao. Izany rahateo no averimberiny ary manohana azy amin’izany i Pascal. Toa samy vonona tokoa izy roa hiroso amin’ity fifamatoran’ny mpivady.

Betsaka anefa ireo mahita fa misy zavatra maizimaizina ity resaka ity. Voalohany amin’izany ny fianakavian’i Pascal izay miahiahy ny mety ho fahavoazana hanjo an’ity farany raha miditra amin’io mariazy io. Ny tena atahoran’izy ireo dia ny mety hahavery ilay trano izay nomen-dreniny an’i Pascal. Tahaka izany koa ny ben’ny tanàna eo an-toerana izay nilaza fa tsy ara-dalàna ny mariazy raha tsy afaka mifampiresaka tsara amin’i Pascal izy. Vokatr’izany rahateo dia nanandrana nangataka ny hisoratra ao amin’ny tanàna hafa eo akaiky ihany izy ireo. Saingy nanomboka teo no niditra antsehatra ny fitsaràna hanadihady sy nampiato ny fikasàna hivady.

Noho ny fety efa voakarakara moa dia nataon’izy ireo ihany ny fety fankalazana rehetra satria efa tonga rahateo ny vahiny nasaina. Koa amin’izy roa dia tahaka ny efa mpivady izy na dia tsy nisy aza ny fanomezan-dalana avy tamin’ny tompon’andraiki-pahefana.

Amin’izao fotoana izao dia namoaka didy ny avy eo amin’ny fitsarana fa tsy mahazo mivady izy roa. Mitohy izany ny tantara satria mitady hevitra lavidavitra kokoa izy ireo amin’ny hampakarana ny raharaha any amin’ny sehatra ambonimbony kokoa.