Niu Raza, kintana vao misandratry ny mozika malagasy.

 

Niu Raza no anarana nofidian'i Ny Ony Razafindratandra entiny miantsehatra, tovovavy vao nahafeno 20 taona, mandranto fianarana ao amin'ny Berklee College Music ao Boston.

Lehibe tanaty fianakaviana tia mozika izy ary raha vao 6 taona fotsiny izy dia efa nahasahy niakatra an-tsehatra. Tiany ny nihira ary ny fahitany ny dadatoany, Silo Andrianandraina, nanokana ny fiainany manontolo tamin’ny zavatra tena tiany sy hainy,  no nanome azy hery hanohy ity làlany ity, raha toa ka taranja hafa mihitsy no nahaliana azy sy nandrasana taminy rehefa nihalehibe. Izao izy efa ao amin’ny Berklee College Music izao vao mitrandraka tanteraka ny mozika.

"Tsy mifidy gadona loatra aho, hoy i Niu, kanefa ny tena mety amiko dia ny RnB, ny jazz sy ny reggae, ary eo ihany koa ny beko sy ny salegy", taratry ny fitiavany an-dr’ i Monika Njava, Jaojoby, Silo, Théo Rakotovao, Olombelo Ricky, ary koa ry Lauren Hill, Erykah Badu, Asa, Bob Marley, John Legend, sns.

Laingalainga”, “First Love”, raha tsy hitanisa hafa tsy ireo amin’ireo sanganasan’i Niu isika. Azonareo jerena anatin’ireo rohy etsy ambany ny hafa. Izy ihany no mamorona ny tonony sy ny feony, misy amin’ny teny malagasy, teny frantsay ary koa teny anglisy izay manavanana azy kokoa. “Raha sitrapon’Andriamanitra dia hivoaka amin’ity taona ity ny rakikira. Ary angamba ao aoriana kely dia afaka miketrika fiaraha-miasa amin’ny artista hafa fa izao aloha aho mbola miezaka hitombo bebe kokoa.

Efa roa taona tokoa manko izao no nahatongavany nandranto fianarana ao Boston. “Mbola tsy fantatra hoe rahoviana no ho vita fa rehefa mbola afaka mianatra dia mianatra foana aloha, hoy ny tovovavy, hentitra amin’ny tanjona kendreny, satria ho isan’ny antom-pivelomako ny mozika fa izay no ianarana azy ity, kanefa tsy ho mpihira no faniriako fa hisy zavatra momba ny mozika ny asako.”

Tsy mozika ihany anefa no talenta ananan’i Niu. Ao koa ny dihy satria dia nitombo tamin’ny fianarana dihy, taranja  “danse contemporaine”, tao amin’ny Rarihasina Analakely izy. Izany hoe nandihy izy vao nihira. Eo ihany koa ny fanatanjahantena, indrindra ny basket-ball noho izy efa mpilalaon’ny MB2all talohan’ny nialany tany Madagasikara. Mbola voatazony avokoa ireo zavatra nianarany sy nampianarina azy. Eny antsefatsefany eny dia ny vaky boky no manintona azy, indrindra rehefa hanao dia lavitra handeha hihira any amin’ny faritra hafa.

Mitety faritra tokoa manko i Niu ankoatra ny fampisehoana ao am-pianarana sy eny amin'ny sekoly hafa, satria mihira amin’ireny hetsika ara-koltoraly isan-karazany any amin’ireo Firenena amerikana manodidina an’i Boston ireny izy (iraisampirenena na iraisan’ny tany afrikana).  Fomba entina hampahafantarana sy hanandratana talenta avokoa izany.

Tsy nanano-sarotra azy rahateo ny fifandraisana amin’ireo namana hafa firenena satria efa nanana traikefa izy fony nianatra tany Afrika atsimo, nialoha ny nankanesany tany Boston. Tombony daholo aza izany satria “mampisokatra saina foana, hoy izy, ny mahita zava-baovao ary ny fahaizana mampitambatra ny vaovao sy ny taloha no tena hitako hoe mahatafita.

Mandalo tanindrazana ihany i Niu rehefa fialan-tsasatra, na dia tsy matetika sy fotoana fohy aza. Kanefa miakatra an-tsehatra ihany izy amin’izany mba hifampizara amin’ny mpankafý sy ny mozisianina. Tsy sarotra loatra aminy rahateo izany na dia mbola vaovao eo anivon’ny zava-kanto malagasy aza ny anarany, satria, hoy izy, “raha ho ahy manokana dia ny fianarana ataoko no varavarana manokatra ny sehatra, ary ny fahaizana miara-miasa amin’ny olona, na inona taranja na inona, dia tokony hampirindra ny fifandraisana.

Hafatra manokana avy aminy moa ho an’ny rehetra sy ho an’ny mpanaraka ny RadioVazoGasy dia ny hoe “misy lanjany ny mozika, ary anisan’ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny maha-izy azy ny firenena anankiray ka tsy tokony atao ambin-javatra. Tiavo ny tena mozika gasy, gadona gasy no maha-gasy ny gasy.

 

Ireo pejy hanarahanao an'i Niu Raza :

- Facebook : ATO

- Youtube : ATO

- Instagram : ATO

- Soundcloud : ATO

 

 

Rondro Volantsoa