Ny fihetsik 'ilay atleta espaniola raha tsy neken'ny mpikarakara ny 1 minitra fahanginana ho an'ireo naratra sy namoy ny ainy tany Barcelone.

 

Nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena amin'ny taranja lomano tany Budapest - ny World Masters Championships - dia tsy nitsoraka toy ny rehetra i Fernando Alvarez, atleta espaniola, raha naneno ny kiririoka fa nijoro hatrany teo amin'ny toerany. Ny antony dia satria nolavin'ny mpikarakara ny fangatahany mba hanokanana 1 minitra fahanginana ho an'ireo naratra sy namoy ny aina tany Barcelone tamin'ny alakamisy 17 aogositra teo. "Tsy misy iray minitra azo ariana hono hoy ny mpikarakara ka dia nataoko samirery ny iray minitrako, hoy izy, satria misy zavatra manan-danja kokoa noho ny medaly volamena."