OBOY sy ny tontolon'ny rap-ny.

 

Tamin'ny volana jolay teo no tafavoaka soa aman-tsara ny rakikira EP "Mafana" an'i OBOY, tanora malagasy malaza eo amin'ny tontolon'ny rap ao Frantsa.

Teraka tany Madagasikara fa lehibe tao Villeneuve-Saint-Georges, ao Paris, i OBOY, na i Mihaja Ramiarinarivo. Nitombo tanaty fianakaviana tia mozika izy ka na dia tsy tanaty sainy loatra aza ny ho mpihira matihanina dia tonga ho azy teny ihany ny aingam-panahy noho izay antony izay.

Fony kely izy no efa nanao rap, fa noraisiny toa ny fanalana andro fotsiny aloha izany. Teo amin'ny faha-18 taonany izay vao tena nifantoka tanteraka tamin'ny famoronan-kira. Nivondrona tanatin'ny "Way Boto", izay nahitana ireo tanora mpanao rap tao amin'ny tanànany aloha izy tany am-piandohana ka ny taona 2015 izy ireo no namoaka ny "mixtape" voalohany : "Hoverboard". 

Herintaona taorian'io no nandeha irery ka namoaka an'i "Olyside" i OBOY, ary tanatin'io "mixtape" io ilay hirany hoe "Douce" izay tena nanosika azy hiroso lalina amin'ity taranja ity. 

OBOY no anarana nofidiany amin'ny maha-artista azy satria nanamarika azy loatra ny momba an'i O-Dog, amin'ilay sarimihetsika "Menace to Society". Milamina sy maka tsy taitra izay i OBOY, toetra izay mifanaraka tsara amin'ny karazan'ny rap voiziny dia ny mumble rap, na hoe rap mimonomonona, ankoatra ny tononkirany somary manjombojombona izay koa.

Nivoatra moramora teny ny mozikany ka ny taona 2017 dia teraka ihany koa ny mixtape manaraka : "Southside". Somary mitokatokana izay i OBOY, ary tsy dia nanao fampiaraham-peo tamin'ny mpanao rap hafa. Kanefa ny kapila mangirana navoakany tamin'ny 2019 - "Omega",  izay tena nampalaza azy ka nampiakatra azy tamin'ny dingana avo kokoa - dia nahitana ny fampiaraham-peony niaraka tamin'ilay artista malianina malaza, i Aya Nakamura, sy ilay mpanao rap olandezy Dopebwoy, tamin'ilay hira "Je m'en tape".

Ny volana jiolay 2020 teo kosa no nivoaka i "Mafana", rakikira EP hahitana hira 7 ka ny iray amin'ireo dia iarahany amin'i 4Keus, tarika mpanao rap frantsay ihany koa. "Mafana", satria hira mifanaraka tsara amin'ny tonon-taona fahavaratra, mafana tsara aty Eoropa.

Eto am-piandrasana ny rakikira manaraka dia efa nandatsaka ny hira sy horonantsary vaovao izy tamin'ny 5 novambra teo : "Cruel".

 

 

Rondro Volantsoa