'Revy feo sy gitara' ho fankalazana ny tsingerintaona voalohany niorenan'ny tarika Ry Faralah.

 

 

"Revy feo sy gitara" : izany izao no ketrika nahandro hanasan'ny tarika Ry Faralah antsika rehetra amin'ny 28 martsa 2019 ho avy izao eny amin'ny Trass eny Tsiadana hanomboka amin'ny 9 ora alina.

Dia hibosesika ny fanontaniana : iza ry Ry Faralah ? Ny valiny dia hoe resaky ny samy faralahim-pianakaviana ilay raha wink

I Fetra Andrianasolo, Phar Alha Joseph, Imanoela Spydee Rajaonah, Bonia Ihara ary Daddy Tsila Raz no mpikambana ao anatiny ary hankalazan'izy ireo ny herintaona niorenany ity "cabaret" ity. Koa aza taraiky mamandrika ny toerana sy mividy ny tapakila fa efa manakaiky ny fotoana ifanomezana.
Azonareo atao noho izany ny mifandray mivantana amin'i Spydee ao amin'ny tambazotra facebook : Imanoela Rajaonah

Raha "vazo ambony tamboho" - izany hoe ireo hira fivazontsika isan'andro fa hiangalian-dr'i Faralah amin'ny talentan'izy ireo - no aroso amin'ny zoma 28 martsa io dia efa mahazo miomana isika fa efa an-dàlana ihany koa ny hiran'izy ireo ka santionan'izany ity atolotra eto ity : "Cité".

Dia mirary ny tarika hitombo taona sy hihazo ny avo hatrany, mba hisongona ireo ingahimatoa atsy ho atsy fa tsy ho faralahy ara-mozika yes

 

 

 

 

Rondro Volantsoa