Rodobe Toamasina : tsy nanaraka ny fenitra ny fanendrena ny Praiminisitra

Nasiaka ireo avy ao
ankolafy telo Toamasina mahakasika ny fanendrena Praiminisitra farany
teo. Ny asabotsy 29 oktobra lasa teo, nifamotoana tao amin’ny kianjan’ny
Magro Tanambao V Toamasina ireo mpitarika ny Rodobe Toamasina sy ny
mpiara-dia amin’izy ireo. Hentitra ny kabary nataon’i Me Rasamimaka
Mahefalahy, mpandrindra ny Movansy Ravalomanana Toamasina, izay nilazany
fa “tsy manaraka ny fenitry ny tetezamita iraisana ny fomba nanendrena
an’i  Beriziky Omer. Tsy i Omer no olana fa ny filazan’i  Andry
Rajoelina hoe izy no nandray fanapahan-kevitra rehetra dia karazany azo
ilazana fa mandeha ila hatrany Rajoelina amin’ny zavatra atao eto
amin’ny firenena”.  

Nomarahin’izy
ireo lavabe koa ny zava-nisy teo amin’ny ambasadaoro Frantsay Jean-Marc
Chataigner sy Mamy Rakotoarivelo  tao amin’ny Hotel Colbert
Antanananarivo ny tolakandron’ny zoma 28 oktobra lasa teo. Nanamafy ireo
mpitarika ny Rodobe Toamasina fa “ny Frantsay no mibaiko tanteraka an’i
 Andry Rajoelina ary ry zareo no mifidy izay olona tiana handrafitra
izao tetezamita izao. Afaka miala mangata-bola amin’ny La Frantsa isika
Malagasy  satria maro ireo firenena vahiny maniry ny hiara-hiasa
amintsika fa bahanan’i  La Frantsa hatrany”. Nilaza ny hanohy ny hetsika
hatrany ny Rodobe Toamasina ary tsy hijanona, hoy izy ireo, ny tolona
raha tsy mbola tsy tafody eto Madagasikara ny Filoha roa lahy teo aloha,
Ravalomanana Marc  sy Didier Ratsiraka.

Nangonin’i Tamaga