Ry Serah

RANAIVOZANANY Gerard no anarako fantatry ny maro @ ny hoe Serah  teraka tao Tanjombato Antananarivo t@ ny 24 fevrier 1965  ary monina aty Grenoble France. Tamin'ny taona 2007 no teraka ny tarika ary nosafidiko  ny anarana hoe RY SERAH  mba tsy hanavao ny mpankafy satria efa io no nahafantaran'ny be sy ny maro ahy . Mpanafana lanonana koa aho tany Madagasikara  ka rehefa fety misy lanonana  dia tsy nolaviko rehefa antsoin'ny olona aho  mpitendry zava- maneno tao am-piangonana sy  nanaraka chorales ihany koa . Mpamoron kira aho ary milalao ny karazana mozika maro toy ny guitare , clavier, batterie sns....izany hoe milomano tanteraka ao anatin'ny mozika ny fiainako ka izany no nahatonga ahy namorona ny tarika RY SERAH .

Marihiko eto fa izaho dia tsy manao politika ; efa nahavita rakikira iray aho misy hira 8 ao anatiny ary mitondra ny lohateny hoe "manina" io rakikira io izay misy gadona  maro loko  toy ny folk, rock, slow sns...

Ny adiresiko dia 55 rue Guynemer 38100 Grenoble tel n° 0616940679 na 0438129353 . E-mail  ra.serah@yahoo.fr  ka raha misy te hifandray na hifanoratra dia tonga soa e . Mivoha midanadana ho antsika ny varavaram-pifandraisana dia mirary soa ho antsika tsy ankanavaka