Tiav'Or, Tompodakan'i Eoropa eo amin'ny taranja Taekwondo, latsaky ny 21 taona.

 

Na dia ny "La Marseillaise" aza no nanakoako tany Sofia, renivohitr'i Bulgarie, dia mbola mirehareha hatrany isika Malagasy satria dia Tiavo Randrianisa (France), tovovavy malagasy 17 taona, no nampiondrika an'i Sarah Al Halwani (Italie) tamin'ny isa 9-6 tamin'ny fiadiana ny ho Tompodakan'i Eoropa amin'ny Taekwondo, latsaky ny 21 taona, omaly alakamisy 6 aprily teo.

 

Tiavo RANDRIANISA @Tiavo_R CHAMPIONNE D'EUROPE -21 ANS!!!!! @Etu_taekwondo #FranceTKD2017 #EuroTKD21 pic.twitter.com/uRWEJLAyVc

— FFTaekwondo (@FFTDA) 6 aprile 2017

 

 

Miarahaba manokana an'i Tiav'Or - izay izao no anaram-bositra nomen'ny ekipany azy ankehitriny - mahaleova mahalasana hatrany !