Tonga soa indray ry Spesialista !

Miarahaba ary misaotra ny tarika Spesialista nanaiky ny hitafatafa amin'ny mpihaino sy mpanaraka ny RadioVazoGasy. Elaela ihany izay tsy nahenoana anareo izay, ary azo lazaina fa fifaliana ho an'ny mahalala ny tarika ny nahita ilay hira tambatra nataonareo farany teo, toa nampiomana ny amin'ny fiverenanareo mavitrika indray.

Moa ve tena nandao sehatra tokoa ianareo nandritra izay fotoana izay ary nisy antony manokana ve ?

Marina tokoa fa ela ela no tsy nahitana ny tarika, nefa na izany aza dia teo foana izahay nanafana lanonana samihafa saingy teo amin’ny sehatry ny haino aman-jery no tsy dia hita loatra.

 

Ahoana ny firafitry ny tarika ankehitriny : mbola ao daholo ireo mpikambana taloha ?

Ny mpikambana dia tsy niova fa niampy iray aza, i Piou, eo amin’ny trompetra. 

 

Mba nanao ahoana ny làlana nodiavin’ny tarika nandritra izay fotoana izay ? Nanahirana ve ny namaky sehatra tamin'izany (lafiny fandrindrana, lafiny ara-bola, lafiny fifandraisana) ? Nisedra olana maro ve ianareo ?

Raha ny làlana nodiavina dia azo lazaina fa tao anatin'ny fikirizana tanteraka. Na teo aza ny fifanakalozana isan-karazany tamin'ireo artista maro, na ny eto an-toerana izany na vahiny, dia azo lazaina fa nifampianatra sy nampiana-tena ny tarika teo amin’ny sehatry ny mozika ary ireny vokatra atolotray rehetra ireny dia fonosin'ny ohabolana malagasy anankiray hoe " iray vatsy iray aina ".

 

Niova ve ilay gadona gasigasy novoizinareo hatramizay sa mbola voatana hatreto ? 

Tsy miova ary miezaka hatrany mitazona ny gadona nahalalana anay izahay dia ny "gadogà" ( gadona gasy).

 

Moa misy voan-dàlana nentinareo ho an’ny mpankafý amin’izao fifankahitana aminareo izao indray ? 

 “Clips” roa no navoakanay farany izay samy efa any amin’ny “youtube” avokoa. Eo am-piketrehana ireo hira maro tsy mbola nivoaka ihany koa ary mikasa hamoaka ny rakikira fahaefatra izahay ankehitriny.

  

Asa raha misy hafatra manokana tianareo ampitaina amin'ny mpanaraka ny RadioVazoGasy sy ireo mpankafý ny tarika ? 

Mba hahita ny làlan-kizorany anie Madagasikara. Mirary soa ho an'ny RadioVazoGasy ary misaotra indrindra amin’ny fiaraha-miasa.

Ho an’ireo izay te-hifandray amin’izy ireo dia :

Mailaka: grspesialista@yahoo.fr 
Finday : 0340447888
Pejin'ny mpankafý ao amin'ny facebook : Groupe Spesialista 

 

 

Rondro Volantsoa