Tsy tafakatra amin'ny fiadiana Amboara Eran-tany 2018 any Rosia ny ekipam-pirenena italianina

 

Ngidiny sisa no tavela ao am-bavan'ny mpankafý lalao kitra italiana : tsy tafiditra anatin'ireo hamonjy ny fiadiana ny amboara eran-tany any Russie amin'ny 2018 ny ekipam-pirenena "Azzura". Ny 0-0 nisarahany tamin'ny ekipan'i Suède tao amin'ny kianjan'ny San Siro (Milan) omaly 13 novambra no nanidy ny varavarana tokony nitondra azy ireo nankany satria efa nanatombo 1 ny ekipan'i Jan Andersson tamin'ny lalao mandroso tany Stockholm.

 

Sambany tanatin'ny 60 taona no misy izany ary toy ny tsy azo ekena mihitsy ho an-drizareo italianina. Hatezerana sy fahadisoam-panantenana no mameno ny tambazotra sosialy amin'izao ora izao na dia eo ihany aza ireo miezaka mitsiky sy mivazivazy. An-dranomaso  no anaovan'i kapiteny Buffon veloma satria ity no tokony lalao farany andraisany anjara ao amin'ny ekipam-pirenena : "malahelo aho, hoy izy, tsy ho ahy ihany fa ho an'i Italia manontolo."