Lasa gorisagorisa sisa no niafaran'ny fifaninana soavaly vý tao Le Mans androany 21 mey, raha vao fihodinana voalohany fotsiny, noho ny menaka niraraka tamin'ny làlana.
I Norodin, tambonin'ny Suzuki no nianjera voalohany ka nampianjera ny hafa. Tanatin'izany rehetra izany dia nisy fantsona tamin'ny soavaly vy iray vaky ka nandraraka ny menaka iray manontolo tamin'ny arabe nilalaovana. Vokany : ny ankamaroan' izay tao afara dia nisosa avokoa.
Voatery natsahatra noho izany ilay fifaninanana. Ny zavadehibe dia tsisy voa mafy ireo mpifaninana.